#Ady
Автор: AKO INFOS
Загружено: 2022-05-27
Просмотров: 260
Описание:
#Zaza tsy ampy taona naolàna, voahambana basy .
#Vehivavy bevoka teraka tsy ampy volana any anaty ala .
#Vehivavy bevoka teraka irery ao an-trano .
#Nanome fanantenana ireo vahoaka monina ao #Mampikony sy# Port Bergé ny filohampirenena #Andry Nirina Rajoelina tamin'ny fitsidiham-paritra izay nataony tamin'ny fampielezankevitra tamin'ny taoana 2018, saingy ny mifanohitra tamin'izany ny zava-mitranga izay niainan'ireo vahoaka mpamboly ao #Mampikony:
Fisamborana sy herisetra ny zava-misy hiainan'ireo #Vahoaka any an-toerana .
Vahoaka 3000 no nitsoaka , miafina any anaty ala sy anaty rano ary olona 40 naiditra am'ponja noho ny savorovoro, ady tany antsoina hoe #Lot de colonisation Port Bergé izay tany nolovain'ireo mponina tamin'ireo vazaha nanjanaka an'i Madagasikara tany aloha .
Manapatra ny heriny ireo #Zanadary any an'toerana izay miandany amin'ireo andian'olona izay manao tsindrihazolena, mandroba , manolana ireo vehivavy sy zaza tsy ampy taona ka nahatonga ireo vahoaka maro dia maro nitsoaka , mipetraka any anaty ala sy any anaty rano .
Mangataka amin'ny filohampirenena ireo vahoaka ao #Port Bergé sy Mampikony ny hampitsahatra ny fanenjehana azy ireo ary ny mba hanatanterahana ny teny fampanantenana izay nataon'ny filoha tamin'izy ireo , tamin'ny fitsidihamparitra izay nataony tamin'ny fampielezankevitra ny taona 2018: dia ny hamerenana ireo tany mirefy 2787 ha , amin'ireo vahoaka , mangataka ihany koa izy ireo ny mba hamerenana ihany koa ireo fanànana izay noravain'ireo mpifanadrana taminy ireo
Hira: D'Gary – Lagnana
_Fararano-TARIKA NJAVA
copyright #Carrozza Heliarisoa
• #Ady tany ao Mampikony
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: