F𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚.
Автор: MINAE Officiel
Загружено: 2026-03-17
Просмотров: 2
Описание:
𝐌𝐈𝐍𝐀𝐄 – 𝐅𝐒𝐑𝐏 : 𝐌𝐢𝐫𝐨𝐬𝐨 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚.
Mitondra vokatra mivaingana ho an’ny sehatry ny fambolena sy ny fiarovana ara-tsakafo eto Madagasikara ny tetikasa FSRP (Food Systems Resilience Program) tanterahin’ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena.
📍 Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo-Atsinanana no isan’ireo faritra efa ahitana mazava ny vokatra azo, amin’ny alalan’ny fanatsarana ny famokarana ara-pambolena sy ny fanohanana ny fanjarian-tsakafo ho an’ny mponina.
☑️ Fanombanana sy tomban’ezaka ny tetikasa no notanterahina, mba handrefesana ny vokatra efa tratra sy hanamafisana ny fanatanterahana ny asa ho amin’ny fahombiazana bebe kokoa.
🍽️ 𝐂𝐚𝐧𝐭𝐢𝐧𝐞 𝐬𝐜𝐨𝐥𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐞𝐤𝐨𝐥𝐲 𝐦𝐢𝐟𝐨𝐭𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐞𝐧𝐲 𝐢𝐟𝐨𝐭𝐨𝐧𝐲:
Tao amin’ny Faritra Vatovavy sy Atsimo-Atsinanana dia notsidihina ny rafitra fampisakafoana an-tsekoly mifototra amin’ny fividianana vokatra avy amin’ireo tantsaha eny ifotony.
Sekoly miisa 70 no tafiditra ao anatin’izany, ka 25 any Vatovavy ary 35 any Atsimo-Atsinanana. Mpianatra an-jatony no mahazo tombontsoa amin’ity rafitra ity, izay manampy amin’ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo sady manohana mivantana ny mpamokatra.
🌽 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 tao 𝐕𝐚𝐭𝐨𝐯𝐚𝐯𝐲 : ireo mpamokatra masomboly katsaka IRAT 200 dia mamokatra amin’ny velaran-tany 30 hektara amin’izao fotoana izao.
🌾 𝐅𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐬𝐨𝐦𝐛𝐨𝐥𝐲 tsara kalitao 𝐓𝐚𝐨 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐧𝐚𝐧𝐲: notsidihina ireo mpamokatra masomboly vary MIHARY, FOFIFA ary Mangafototra, izay manamafy ny famokarana masomboly manara-penitra ho an’ireo tantsaha mpamokatra.
🌱 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚 𝐣𝐢𝐫𝐨𝐟𝐨: Velaran-tany 150 hektara no natokana ho amin’izany, ka 56 hektara efa vita voly ary 94 hektara mbola eo am-panatanterahana.
🍀 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚: Notsidihina ihany koa ireo vondrona mpamokatra manakaiky ny sehatra indostrialy, izay ahitana vondron'ny mpamokatra na OP miisa 7 miparitaka amin’ny fokontany 7.
Mpikambana 450 no ao anatiny, ka 430 amin’ireo dia vehivavy, manamafy ny rohim-pamokarana sy ny fanodinana vokatra.
🤝 Ny fanombanana ny tetikasa dia notarihin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika dia ny PAM (Programme Alimentaire Mondial), IITA ary AfricaRice, izay notanterahina ny 10 ka hatramin’ny 13 Martsa 2026.
Amin’ny ankapobeny dia naneho fahafaham-po ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny vokatra efa azo sy ny fomba fiasa entin’ny tetikasa FSRP, izay efa mitondra fampandrosoana sy fanavaozana mivaingana amin’ny fanamafisana ny famokarana sy ny fiarovana ara-tsakafo.
“𝐌𝐩𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐨𝐦𝐛𝐲, 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐲 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨.”
#MINAE
#FSRP
#BanqueMondiale
#PAM
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: