FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY MASOIVOHO KOREANA NY BEN’NY TANANA
Автор: Andry ANDRIAMAHASORO
Загружено: 2025-12-09
Просмотров: 565
Описание:
🇲🇬 FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY MASOIVOHO KOREANA NY BEN’NY TANANA TETO AMIN’NY LAPAN’NY TANANAN’I FORT-DAUPHIN
Fort-Dauphin, 09 Desambra 2025 – Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambonivohitr’I Fort-Dauphin Andriamatoa Andry Andriamahasoro teto amin’ny Lapan’ny Tananan’I Fort-Dauphin omaly Alatsinainy 08 Desambra 2025 tolakandro ny Masoivohon’ny firenena Koreana Ramatoa Park Ji Hyun sy ireo delegasiona niaraka taminy.
Nivohitra nandritry ny fihaonana teo anivon’ny roa tonta ny fametrahana fiaraha-miasa vaovao eo anivon’ny Kaominina sy ny firenena Koreana ary ny fiaraha-miasa amin’ireo Kaominina rahavavy any amin’ity firenena ity ka hiteraka tombontsoa lehibe ho an’ny Kaominina Ambonivohitr’I Fort-Dauphin, eo ihany koa ny Distrika ary indrindra ny Faritra Anôsy.
Tanjon’ny firenena araka izany ny hampiroborobo ny sehatry ny fizahan-tany aty Atsimon’ny Nosy, eo ihany koa ny fijerena ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ary isan’ny notsindrian’ny Ben’ny Tanàna ny fandaminana ny tanàn-dehibe satria dia tsapa ankehitriny fa tena mihamitombo ny mponina eto Fort-Dauphin ka tsy mahasahana ny mponina intsony ny foto-drafitr’asa misy. Eo ihany koa ny fahasimban’ny sisin-dranomasina rehetra sy ny an-tanàn-dehibe ary ny tsy fahampian’ny orinasa mba hiteraka asa ho an’ny tanora.
------------------------------------------------------------------------
🇨🇵 VISITE DE COURTOISIE EFFECTUÉE PAR L’AMBASSADRICE DE CORÉE AU MAIRE DE LA VILLE DE FORT-DAUPHIN
Fort-Dauphin, 09 décembre 2025 – L’Ambassadrice de la République de Corée, Madame Park Ji Hyun, accompagnée de sa délégation, a effectué hier après-midi, Lundi 08 décembre 2025, une visite de courtoisie auprès du Maire de la Commune Urbaine de Fort-Dauphin, Monsieur Andry Andriamahasoro, à l'Hôtel de ville de Fort-Dauphin.
La rencontre entre les deux parties a mis en avant la mise en place d’une nouvelle coopération entre la Commune et la République de Corée, ainsi que le partenariat avec les communes jumelées dans ce pays, ce qui apportera des retombées importantes pour la Commune Urbaine de Fort-Dauphin, mais également pour le District et surtout pour la Région Anôsy.
La République de Corée a exprimé sa volonté de promouvoir le secteur du tourisme dans le Sud de Madagascar, ainsi que d’explorer le domaine des ressources minières. Le Maire a également souligné l’importance de l’aménagement urbain, car la population de Fort-Dauphin ne cesse d’augmenter, alors que les infrastructures existantes ne répondent plus aux besoins. Il a aussi évoqué l’état de dégradation des zones littorales et urbaines, ainsi que le manque d’entreprises capables de générer des emplois pour les jeunes
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: