FA TSY HOE Mgr Jean Paul RANDRIAMANANA/Ankalazao Ny Tompo
Автор: VAVAKA HIRA KATOLIKA
Загружено: 2022-05-24
Просмотров: 120883
Описание:
👉👉 • ASIO VONINKAZO NY LAPAN' I MARIA
FA TSY HOE
Fa tsy hoe haita ny rano fisotro,
Higoka ny mamy ho anao samirery,
Tsy izay no manosika antsika isan’andro,
Fa raha izay e, fitiavan-tena.
Tsy hoe manantena ny takalom-patsa,
Tsy hoe sasa-miandry ny aterok’ alao,
Tsy izay no mangaika ny hitiavana ny olona,
Fa raha izay e, fitian-tena.
Jesoa Kristy Tompotsika ô !
Raha niahaona tamin’ ilay Samaritanina,
Izy andriamanitra nanaka-dresaka,
Resaka hatrany amin’ ny ati-fanahy.
Dia tonga hanazava ny fo sy ny saina ô,
Hangetaheta ny fiainan’ ny Tompo,
Teraka teo ny fanantenana,
Hangetaheta ny fiainan’ ny Tompo ô
Jesoa Kristy Tompotsika ô !
Ankehitriny Izy mitady anao,
Izy no tonga mitafa aminao,
Resaka tsotra ilazany hoe,
Raha fantatrao manko ny fanomezan’ Andriamanitra,
Raha fantatrao ô,
Dia ianao no hangetaheta,
Hangetahheta ny fiainan’ ny Tompo ô,
Jesoa Kristy Tompotsika ô !
Dia fanomezan’ Andriamanintsika
Jesoa Kristy Tompotsika ô !
Fiainantsika Izy e.
Fa tsy hoe hitsipaka ny ara-panahy,
Hanidy ny fo tsy hidiran’ ny Tompo,
Tsy izay no mampiadana antsika olombelona,
Fa ra izay e, kimpantsona foana.
Tsy toin’ ny sakamalao sy avozo,
Tsy hoe sasanangy mandrirotra hoazy,
Tsy izay Izy Tompo sy ny fiainantsika,
Fa ra izay e, kimpantsona foana.
Jesoa Kristy Tompotsika ô !
Raha niahaona tamin’ ilay Samaritanina,
Izy Andriamanitra nanaka-dresaka,
Resaka hatrany amin’ ny ati-fanahy.
Dia tonga hanazava ny fo sy ny saina ô,
Hangetaheta ny fiainan’ ny Tompo,
Teraka teo ny fanantenana,
Hangetaheta ny fiainan’ ny Tompo ô
Jesoa Kristy Tompotsika ô !
Ankehitriny Izy mitady anao,
Izy no tonga mitafa aminao,
Resaka tsotra ilazany hoe,
Raha fantatrao manko ny fanomezan’ Andriamanitra,
Raha fantatrao ô,
Dia ianao no hangetaheta,
Hangetahheta ny fiainan’ ny Tompo ô,
Jesoa Kristy Tompotsika ô !
Dia fanomezan’ Andriamanintsika
Jesoa Kristy Tompotsika ô !
Fiainantsika Izy e.
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: