𝐃𝐈𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐈𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄-𝐊𝐀𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐈𝐒𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 : Boeny – Betsiboka –Sofia-Melaky
Автор: MINAE Officiel
Загружено: 2026-01-29
Просмотров: 18
Описание:
Nandritra ny dinika sy fikaonan-doha izay natao no nahitana fa maro ireo sakana, raha ny fiompiana manonkana dia ny :
-tsy fandriam-pahalemana, ireo faritra mitoka-monina, ary ny mbola fampiharana ny teknika nentim-paharazana.
Ho an’ny vokatra vary, katsaka, voanjo ary lojy dia ny :
-fiovaovan’ny toetr’andro, tsy fahampian-drano, tsy fahampian’ny masomboly voafantina, tsy fahampian’ny fitaovana sy hanam-pamokarana, tsy fanajana ny tetiandrom-pamokarana ary tsy fahamarinan-toeran'nyvidim-bokatra.
🌈 Nisy ary araka izany ny vahaolana izay noraisina dia ny:
-Fametrahana fiompiana maoderina
-fanamafisana ireo voly mamokatra haingana (semence à cycle court)
-fanavaozana sy fanarenana tohodrano
-fanamorana ny fahazoana fitaovam-pamokarana sy hanam-pamokarana
-fampihenana ireo mpanelanelana ara-barotra eo amin’ny tantsaha sy ny tsena.
Marihina fa ho avondrona ireo angon-kevitra sy soso-kevitra voaray, ary hoentina eny anivon’ny Dinika Nasionaly, hananganana tondro zotra hanavaozana ny toe-karena eto Madagasikara amin’ny alalan’ny "Agribusiness".
#drae_boeny #drae_sofia #drae_melaky #drae_betsiboka #assise_mahajanga
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: