Karaoke gasy REVIREVINAY TALOHA - ERICK MANANA
Автор: Gasy Karaoke FLUO
Загружено: 2024-07-26
Просмотров: 35140
Описание:
REVIREVINAY TALOHA
#karaokegasy #gasykaraoke #tononkira
Tononkira - Paroles - Texte - Lyrics
Revirevinay taloha, mihirahira eo ambony tamboho.
Guitara vaky no hifandimbiasanay eo,
Malaina ery ny hifandao, maraina vao misaraka...
Revirevinay taloha, misotrosotro eo ambony tamboho
Rehefa madiva ho faty masoandro
Mirongatra ny vinany, dia teraka eo ilay hira vao...
Homehy irery aho mahatsiaro
Irony hatanorana zalahy
Be reo hadalàna, mafy loha tsy azo raràna
Antitra ihany ity...ny farany a!
Revirevinay taloha, mikaoty sipa eo ambony tamboho
Miandry izay hiravan'ny mpianatra
Dia manadàla anareo...Andriambavilanitra.
Revirevinay taloha, mivangabao eo ambony tamboho
Ny fiainana no mba nampianatra any
Ny soa, ny ratsy, ny fady...tapitra nolalovanay.
Homehy irery aho mahatsiaro
Irony hatanorana zalahy
Be reo hadalàna, mafy loha tsy azo raràna
Antitra ihany ity...ny farany ah
Ô ry akamako taloha,
Rahoviana indray no ho eny ambony tamboho?
Hisary adala faramparany a!
Fiainana ity efa fohy... ka asio fiverenana
Erick Manana
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: