FIJALIANA / Pasteur Sacha & Lanto
Автор: Erick RAHAJASON
Загружено: 2022-02-06
Просмотров: 3308
Описание:
A/C Naivo
Arrgt : Pasteur Sacha
Nangirifiry Ianao nilanja ny tsy natao
Niaretanao avokoa ny vono sy ratra koa
Nampijaliana Ianao nokapohina koa
Dia nororana sy nohesohesoina
Fa mba taiza moa zahay tamin'ny ora izay nijalianao io
Tsy nisy na iray sahy niaro Anao fa natahotra
Na dia ireo mpianatra aza nilaza ho tsy nahafantatra
Ny dinitrao nitete hatrany getsemane
Ka ory loatra ny fo mafy tokoa ny nanjo
Dia nitomany Ianao nikika mafy hoe
Ray ô esory amiko ity kapoaka ity
Indrisy anefa fa natolotray ianao tsy azao natao
Dia novoina ka niboiboika koa ilay ra avy ao am-po
Tsy nisy izay iray nitsetra fa nataony ho fihomehezana
Ireo fahotako rehetra ny ditra sy setrasetra
Ny tanako nihosin-dra tena mamatotra ahy
Ireo adalako ihany koa niampanga ahy avokoa
Tsy afaka niala ianao nalatsa-dra
Tsy mba namaly Ianao nanoloana ireo zavatra niseho
Fa ny lalanao tokoa no efa voasoratra mialoha
Tanterakao ny famonjena fa izahay no tsy nahay nandray
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: