STK FANASIMPIDERANA ANTANIMENA ANDREFANA: TIA AHY IANAO
Автор: STK FANASIMPIDERANA
Загружено: 2025-05-17
Просмотров: 748
Описание:
Tia ahy Ianao Tour K25
N’aiza n’aiza aleha, n’inona hatao
Haiko foana fa mitoetra eo Ianao
N’inona mitranga, n’inona miseho
Tsy lavitra Ianao, fa miandany ahy eo anilako eo
Reko foana injay ilay bitsikao ry Ray
Mananatra ilay feon’ny Fanahy
Mahatonga ahy ho feno hery ho sahy
Mba hiatrika handresy ny fankam-panahy
Mahatoky Anao, ry Tompo sy Andriamanitro
Ny fihevitrao anie tsy mba fihevitro
Na ny fiainako sy ny ho aviko
Na ny ampitso izay mbola tsy fantatro
Ny hany tsapako Tia ahy indrindra Ianao
Ireny sedra ireny izay nalahatrao
Nampiorina mafy tokoa
Indrafo sesehena, fahasoavanao tsy hay tohaina
Ka midera Anao, misaotra Anao ry Ray
AC: RABESON JOSE Volume 5
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: