FIANARANTSOA :Fisaorana sy Fankasitrahana
Автор: Feonydemokrasia
Загружено: 2025-12-01
Просмотров: 6
Описание:
Tamin'ny alalan'ny hetsika "Fitia tsy mba hetra" notanterahin'ny Groupe Mikalo, antoko mpihira natsangan'i Saholy tao amin'ny Oratorio Don Bosco Ankofafa, dia naneho firaisankina sy fitiavana ny maro, ho fanohanana amin’ny fitsaboana azy amin’izao tsy fahasalamany izao.
Tamin’ny tolakandron'ny alahady 30 Novambra 2025, no notontosaina tao amin'ny Oratorio Don Bosco Ankofafa, Fianarantsoa,ny tolo-tanana, ka ankasitrahana ny vita, hoy ny fianakaviana.
"Isaorana manokana ireo rehetra nahafoy fotoana, angovo, sy fanohanana ara-pitaovana, tamin’ny fanatanterahana ity hetsika feno fitiavana ity."
Atoa Bertrand Michel, anadahin’i Saholy, no nitondra ny teny fisaorana ho an’ny rehetra.
Fanehoam-pitiavana sy fankasitrahana ho an’i Saholy
“Efa fotoana lavalava izay no tsy salama ny zanako,” hoy Atoa Pierre Michel, Rain'i Saholy, tamim-pahatsorana .Tamin’ny teny fohy, no nanehoany ny fankasitrahany amin’ny fahafoizan-tenan’ireo rehetra nanohana sy mbola manohana an’i Saholy.
Eo koa moa ireo namana mpiara-miasa ao amin’ny Onjapeo Tsiry 105 FM Fianarantsoa, izay tsy misaraka amin’ny hetsika sy fiatrehana n'y fanohanana amin'izao sedra ara-pahasalamana LALOVAN'ny Namana Saholinirina izao. Nambaran’izy ireo fa vonona hatrany ny hanohana sy hiara-dia amin’i Saholy mandra-pahasitranany tanteraka.
“Manantena ny hiverenan’ny heriny izahay, hifankahita amin’ny onjam-peo sy amin’ny asa iombonana indray,” hoy izy ireo amim-pitiavana.
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: