Ny Railovy - Vonoy Ny Anarako
Автор: HIRA TALOHA by Herimandresy
Загружено: 2025-05-07
Просмотров: 2853
Описание:
VONOY NY ANARAKO
Ilay tonon-kira nosoratako ho anao fahiny
raha toa ka misy ny soniako any aza tsiny
mbà angalao gôma kely anie ka azafady
fafao, vonoy ny anarako
Tery ampototr’ilay hazo iray falehantsika
nasiako sary fo iray hoe fo iraisantsika
voasikotra eo nyanarantsika 2
ka raha mandalo eo ianao
vonoy ny anarako
izao no hevitra efa tapaka
fa mety isika raha misaraka
tsy izaho irery no nifidy fa ianao koa
nandramatsika ny namerina
ilay fitia fa tsy niverina
ka aoka izay fa atao ahoana moa
tsy anjara angahan y antsika 2
tantara sisa no tavela fa tsy hay vonoina
ny lasantsika anefa aoka mba ho hadinoina
koa hafarako anao izao rehefa tsy ho anao
vonoy ny anarako
satria efa noroahinao hiàla tato ampoko
ilay fitia n,omeko anao kanjo zary toloko
dia olon-kafa indray no hiditra ao
hitondra aina vaovao
vonoy ny anarako
na ao anaty diarinao na eny ambany sary
na eo imolotrao na any anaty fo marary
ny any anaty kalokaloko sy hirako aza dia izao
vonoy ny anarako!!!....
Jérôme Randria
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: