Mpamaky Ranomasina - Rija Rasolondraibe (2019)
Автор: Priscilla Rakotomalala
Загружено: 2019-04-17
Просмотров: 221744
Описание:
MPAMAKY RANOMASINA
1 - Toa misy olona kay 'lay tany nampanantenainy e,
Dia mitolona indray ny amin'izany e,
Mila tsy hahatoky izay nolazaiNy e,
Rapeto mianakavy ao miandry vavahady e,
Lehilahy mahery isan'andro izao tonga miantsy ady e,
Ny zava-misy mikiaka hoe...
Andeha ho aiza ise?
Tsy hainy hoe ny fanahiko anie efa nandre,
Ny maso mijery milaza fa tampi-dalan-kaleha
Tsy fantany fa ny Andriamanitro anie ngeza be :
REF - Hanao lalana indray Izy e,
Hanao lalana indray Izy e,
Ny tanany no hampiampita,
ny zanany tsy maintsy ho tafita.
Hanao lalana masina e,
'Lay Mpamaky ranomasina e.
2 - Manenjika ao aorinako ao Farao sy ny forongony e,
Manao izay azony atao mampihorohoro hoaho ny godon'ny tongony e,
Vavabe isan'andro sy zana-tsipika e,
Iza hono no Andriamanitra hahavonjy antsika e,
Ny zava-misy mikiaka hoe...
Andeha ho aiza ise?
Tsy hainy hoe ny fanahiko anie efa nandre,
Ny maso mijery milaza fa tampi-dalan-kaleha
Tsy fantany fa ny Andriamanitro anie ngeza be :
Ho any amin'ny tany hay e,
Hiboiboika moharano ô,
Tsy hisy adala ho very e,
Ny varavaran'ny tranonay e,
Tsy ho tafiditra angano ô,
Ny ran'ny Zanak'ondry mahery e :
REF - Hanao lalana indray Izy e,
Hanao lalana indray Izy e,
Ny tanany no hampiampita,
ny zanany tsy maintsy ho tafita.
Hanao lalana masina e,
'Lay Mpamaky ranomasina e!
Повторяем попытку...

Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: