Onitiana Realy: « Qui fait mieux »
Автор: Real TV Madagasikara
Загружено: 2025-11-07
Просмотров: 5504
Описание:
Onitiana Realy: « Qui fait mieux » hoy izy raha namaly an’ireo manenjika azy efa 10 taona izao fa tsy nahavita n’inon’inona izy tamin’ny fotoana naha-Ministra azy.
« Asa fa tsy kabary ». Ny ady amin’ny fahantrana no « combat »-ny tamin’ny izy ministra. Raha manenjika azy ireo mpikirakira facebook, dia afa-po tamin’ny asa vitany kosa ny mponina tany amin’ny Faritra Androy sy ny Faritra Anosy, ary tany amin’ireo Distrika rehetra nisitraka ny tetikasa tosika ara-bola (transfert monétaire) nataon’ny Ministeran’ny Mponina.
92% ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara tamin’ny 2014 rehefa niala teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina taorian’ny tetezamita. Ny 53% n’ireo mahantra ireo dia tao anaty fahantrana lalina na « extrême pauvreté ». Nahafahana nampihena hatrany amin’ny 6% ny tahan’ny « extrême pauvreté » teto Madagasikara ny tetikasa Vatsin’ankohonana nataon’i Onitiana Realy tamin’ny 2015 hatramin’ny 2018. Nihena ho 72% arak’izany ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara rehefa niala teo amin’ny fitondrana i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 2018.
Nahazo famatsiam-bola 75 tapitrisa dolara ny Ministeran’ny Mponina tamin’ny 2015- 2018. Ary efa nahazo famatsiam-bola 150 tapitrisa dolara i Onitiana Realy talohan’ny nialany tao anaty Governemanta ny taona 2018. Afaka nampiasain’ny fitondrana Rajoelina avy hatrany io 150 tapitrisa dolara io nanomboka ny taona 2019.
Ny tetikasa Vatsin’ankohonana izay natombony io novain’i Andry Rajoelina ho vatsy tsinjo sy tosika fameno io
Nanomboka tamin’ny 2019 dia nafindran’i Andry Rajoelina tany amin’ny Fiadidiana ny Repoblika mivantana ny fitantanana ny vatsin’ankohonana, sy ny vatsy tsinjo sy ny tosika fameno, ary lasa natao fitaovana politika ireo fanampiana tosika ara-bola ireo.
SONGADIM-BAOVAO REAL NEWS- NY VAOVAO MARINA 06 Novambra 2025
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: