NY KORAITA - NY TSANTAN'IMAHAMASINA - ANJOMARA ANOSIVAVAKA (Medley, 2017)
Автор: Chorale NY TSANTAN'IMAHAMASINA
Загружено: 2017-08-28
Просмотров: 57152
Описание:
AKOAKOM-PIDERANA Andiany faha-5 (Jobily Volamena NY TSANTAN'IMAHAMASINA)
NY TSANTAN’IMAHAMASINA – NY KORAÏTA MANARINTSOA FINOANA – ANJOMARA ANOSIVAVAKA
Alahady 17 septambra 2017 - 2 ora tolakandro (PALAIS DES SPORTS MAHAMASINA)
NA INONA ANEFA MIHATRA (NY TSANTAN’IMAHAMASINA)
Na inon’inona anefa mihatra, na inona manjo (na mihatra)
Tsy mba ho kivy na ketrak’izany
Fa ao ny Tomponao (ao ny Tompo)
Jesoa Mpanafaka antsika, Jesoa Mpamonjy antsika
Jesoa irery no hany Mpamonjy, raha mafy ny adinao
‘ZAHO MATOKY ANAO (NY KORAÏTA MANARINTSOA FINOANA)
Raha misy zavatra miseho zaho jesoa matoky Anao,
ny adintsaina avelako eo fa ny fantatro dia izao,
Eh velona aho ka miaina soa
miaraka aminao Jesoa dia mitony sy milamina ny fo.
Eh velona aho ka miaina soa
miaraka aminao Jesoa dia mitony sy milamina ny fo.
Raha misy mampanahy (Zaho matoky Anao)
Arovy aho re ho sahy (Zaho matoky Anao)
Ouhhhhh Izaho Jesoa matoky Anao
Zaho Jesoa matoky Anao
IZY (ANJOMARA ANOSIVAVAKA)
Io fanambinana atolony anao isan’andro io
Tsy sandaina vola na hoe harena,
Fa satriny hanambina anao eo foana
Hanome fahasoavana maimaim-poana.
Fa ny fonao madio no ilainy,
Dia Izy no hahatomombana ny fitahiana.
Andriamanitra Ray Izy izay,
Hahasambatra anao ho heniky ny hafaliana
HODERAINA (NY TSANTAN’IMAHAMASINA)
Mendrika ny HODERAINA Ianao,
Ry TOMPO sy Mpanjakanay
Anao ny voninahitra mandrakizay
Mandrakizay Haleloia Amen
Sambatr’ireo ‘zay mino Anao
Sambatr’ireo izay matoky Anao
Koa mifalia ry olon’ô! fa lehibe fa lehibe ny fitiavany
ny fitiavany, ny fitiavany
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: