ycliper

Популярное

Музыка Кино и Анимация Автомобили Животные Спорт Путешествия Игры Юмор

Интересные видео

2025 Сериалы Трейлеры Новости Как сделать Видеоуроки Diy своими руками

Топ запросов

смотреть а4 schoolboy runaway турецкий сериал смотреть мультфильмы эдисон
Скачать

Mivelona amin'ny Teniny Alatsinainay 2 Febroary 2026: Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.

Автор: Radio Oasis 106.4 Fm Madagascar

Загружено: 2026-02-01

Просмотров: 284

Описание: Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Fanandramana iraisan'ny Kristianina vao niova fo ny fisaintsainana momba ny fiainany taloha sy taorian'ny nandraisany an'i Jesôsy , tahaka izay ataon'i Paoly ao amin'ny Fil. 3. Misy fotoana iresahantsika momba ireo tsy Kristianina ka iantsoantsika azy ireo hoe "olona tsara"; maro anninizy ireny tokoa no tahaka izany raha araka ny fenitr'izao tontolo izao farafahakeliny. Kanefa, rehefa tsaraina amin'ny fenitr'Andriamanitra, dia tsy misy "tsara" na dia iray aza, eny fa na ny Kristianina aza.

Ambaran'i Paoly ao amin'ny Fil. 3:4-6 ny zavatra maro teo amin'ny fiainany izay nampirehareha azy fahiny. Inona avy izany? Inona no holazainao fa "tsara" eo amin'ny fiainanao (taloha sy ankehitriny)?

Asehon'i Paoly ankolaka eto ny fahasamihafana eo amin'ireo mpino Jiosy izay mampiely fampianarana sandoka sy ireo mpino tsy voafora izay rniantehitra tanteraka amin'i Kristy mba hahazoany famonjena ary koa tsy mitoky amin'ny asan'olombelona tahaka ny famorana (jereo ny Heb. 6:1; Heb. 9:14; ampitahao amin'ny Rom. 2:25-29). Na dia nahatonga an'i Paoly ho mendri-panajana teo anatrehan'ireo Jiosy namany aza ny fiainany tamin'ny lasa sy ny tetiarany, dia tsy misy miantoka ny famonjena azy izany na iray aza. Raha ny marina aza dia nanakana ny famonjena azy ny nanajamban'ireny zavatra ireny azy fahiny ka tsy nahatsapany ny filany anlj Kristy.

Tsy hoe voafora fotsiny i Paoly fa teraka Isiraelita ary anisan'ny vahoakan'ny fanekena, izany hoe noforana tamin'ny andro fahavalo taorian'ny nahaterahany. Ankoatra izany, dia avy amin'ny fokon'i Benjamina izy, foko izay nanana faritany nahitana ireo tanana nanana ny maha-izy azy indrindra teo amin'ny Isiraely. Tsy hoe nahay teny Hebreo fotsiny i Paoly fa mpianatr'i Gamaliela Loholona koa (Asa. 22:3; Asa. 26:4,5); ary amin'ny maha Fariseo azy dia nanam-pahalalana be mikasika ny lalana sy izay tokony hampiharana izany izy, farafahakeliny araka ny fomban-drazana.

Nafana fo tamin'ny fandalana ny lalana tokoa i Paoly ka nanenjika ny fiangonana noho ny fahitany izany ho loza mitatao ho an'ny fomba fiaina jiosy; noheveriny fa izany no nobaikoin'ny lalana hataony. Mahavariana tokoa, fa na dia "tsy nanan-tsiny" aza izy raha ny "fahamarinana" araka ny fihevitr'olombelona, dia takany fa zava-dalina kokoa ny lalana ary be fitakiana tokoa mihoatra noho izay noheveriny, ary raha tsy noho ny amin'i Kristy dia meloka izy eo anatrehan'ny lalana.

Ampitahao amin'ny Mat. 5:21,22,27,28 ny Rôm. 7:7-12. Inona no hevi-dehibe ambaran'i Jesôsy sy i Paoly mikasika ny lalana? Nahoana ny "finoana an'i Kristy" (Fil. 3:9), fa tsy ny lalana, no hany loharanon'ny fahamarinana? Jereo araka izao hevitra izao izany: mitandrina tsara ny lalana ye ianao, farafahakeliny araka izay nolazain'i Jesôsy fa tokony hitandremanao izany?

Не удается загрузить Youtube-плеер. Проверьте блокировку Youtube в вашей сети.
Повторяем попытку...
Mivelona amin'ny Teniny  Alatsinainay 2 Febroary 2026: Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.

Поделиться в:

Доступные форматы для скачивания:

Скачать видео

  • Информация по загрузке:

Скачать аудио

Похожие видео

Mivelona amin'ny Teniny  Alarobia 4 Febroary : NY FINOAN'I KRISTY

Mivelona amin'ny Teniny Alarobia 4 Febroary : NY FINOAN'I KRISTY

Mivelona amin'ny Teniny  Talata 3 Febroary 2026: IZAY TENA MANAN-DANJA MARINA

Mivelona amin'ny Teniny Talata 3 Febroary 2026: IZAY TENA MANAN-DANJA MARINA

4 Fev 2026, Trump Aksepte Bay Ayisyen TPS la Gro Kè Kontan Lame Ameriken Debake Ayiti Viv Ansanm Cho

4 Fev 2026, Trump Aksepte Bay Ayisyen TPS la Gro Kè Kontan Lame Ameriken Debake Ayiti Viv Ansanm Cho

💒 ÉGLISE 10 ZAMBERE NZIZA mu Burundi🇧🇮 2026

💒 ÉGLISE 10 ZAMBERE NZIZA mu Burundi🇧🇮 2026

🎼🎧🙏MEDLEY HIRA FIDERANA meilleurs Slow évangélique 2023 (EDITION 1) (PEPE SHINE-RIJA RASOLONDR-JDAF)

🎼🎧🙏MEDLEY HIRA FIDERANA meilleurs Slow évangélique 2023 (EDITION 1) (PEPE SHINE-RIJA RASOLONDR-JDAF)

Andro Voalohany : Pst Fanera ANDRIAMPARATIANA - FMC

Andro Voalohany : Pst Fanera ANDRIAMPARATIANA - FMC

Créatinine Élevée ? 3 Épices à BANNIR et 3 à PRIVILÉGIER pour Sauver vos Reins!

Créatinine Élevée ? 3 Épices à BANNIR et 3 à PRIVILÉGIER pour Sauver vos Reins!

Comores : la vérité cachée sur les militaires américains et le danger imminent pour le pays avec SMS

Comores : la vérité cachée sur les militaires américains et le danger imminent pour le pays avec SMS

Quand les petits ridiculisent les grands

Quand les petits ridiculisent les grands

VOAMARINA FA NAMOAKA VOLA 13 MILLIARD I ANDRY RAJOELINA

VOAMARINA FA NAMOAKA VOLA 13 MILLIARD I ANDRY RAJOELINA

Mivelona amin'ny Teniny  Alahady 1 Febroary 2026: Mifaly ao amin’i Tompo.

Mivelona amin'ny Teniny Alahady 1 Febroary 2026: Mifaly ao amin’i Tompo.

ОНА БЕЖАЛА ОТ ГОНИТЕЛЕЙ, А НАТКНУЛАСЬ НА ДЬЯКОНА С ПИВОМ | Историческая повесть до слёз

ОНА БЕЖАЛА ОТ ГОНИТЕЛЕЙ, А НАТКНУЛАСЬ НА ДЬЯКОНА С ПИВОМ | Историческая повесть до слёз "Алина"

hira fisaorana katolika en medley

hira fisaorana katolika en medley

Marka 16: 15 - Hafatra ho an'ny Minisitry ny fitsarana sy ny Mpiara miasa aminy

Marka 16: 15 - Hafatra ho an'ny Minisitry ny fitsarana sy ny Mpiara miasa aminy

Asan'ny Fanahy   Pst Herimanitra RANDRIANARIVONY 3

Asan'ny Fanahy Pst Herimanitra RANDRIANARIVONY 3

Fampaherezana hoan'izay mandalo ady sarotra ( Pasteur Razafiarison Emilien : Salamo 109 : 21 - 31 )

Fampaherezana hoan'izay mandalo ady sarotra ( Pasteur Razafiarison Emilien : Salamo 109 : 21 - 31 )

Ein längst vergessenes japanisches Geheimnis! Mit 80 sieht man schon aus wie 40

Ein längst vergessenes japanisches Geheimnis! Mit 80 sieht man schon aus wie 40

MARC RAVALOMANANA 🆚 DEPUTE FIDÈLE -  TSY MITOVY FIJERY

MARC RAVALOMANANA 🆚 DEPUTE FIDÈLE - TSY MITOVY FIJERY

Marka 16: 15 - Toriteny alahady (Lio. 5 : 12 - 16)

Marka 16: 15 - Toriteny alahady (Lio. 5 : 12 - 16)

TALA IA IOPU (JOB) | APOSTLE VILIAMU MAFO'E | WCCCW (Flashback)

TALA IA IOPU (JOB) | APOSTLE VILIAMU MAFO'E | WCCCW (Flashback)

© 2025 ycliper. Все права защищены.

  • Контакты
  • О нас
  • Политика конфиденциальности

Контакты для правообладателей: [email protected]