MAHEREZA - TARIKA NY ANY AMINAY
Автор: Tarika Ny Any Aminay
Загружено: 2023-03-11
Просмотров: 24645
Описание:
Noho ny ady ve dia hamoy fo ianao
Mikiriza sombinaina fa fomban-tany izao o !
Dia ny ady ve, izay tsy maintsy hatao ?
Dia ny ady ve no hampilofika anao
REF : Fa any andro, any volana
Iza moa no mety hahalala ?
Tsy hisy intsony angamba ny olana
O ! mahereza re ry malala
Noho ny fahoriana ve, izay tsy azo hidifiana
Aza kivy, mitrakà fa ny eto fivahiniana o !
Dia ny ady ve, izay tsy maintsy hatao ?
Dia ny ady ve no hampilofika anao
REF : Fa any andro, any volana
...
Noho ny tanintsika ve sa noho ny adin-tsaina ?
No mampisento anao, mitsangàna sombinaina o !
Dia ny ady ve, izay tsy maintsy hatao ?
Dia ny ady ve no hampilofika anao
REF : Fa any andro, any volana
....
N’inon’inona mitranga, aza mba misalasala
Jereo ny lalan-kombana, mahereza ry malala o !
Dia ny ady ve, izay tsy maintsy hatao ?
Dia ny ady ve no hampilofika anao
A/C: Rakotondraibe Bernard / Naivoarivelo RAKOTONDRATSIMBA
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: