Mofonaina LIOKA 12.35-40 Talata, 10 novambra 2020
Автор: FITANDREMANA FJKM LA REUNION
Загружено: 2020-11-09
Просмотров: 63
Описание:
Talata, 10 novambra 2020
MOFONAINA LIOKA 12.35-40
Valim-panontanian’i Jesoa ny amin’ny fangatahan’ny olona iray hizara lova taminy ity mofonaina ity. Raha ny hoavy eto an-tany no noheverin’ilay lehilahy nangataka taminy, ny hoavy any an-danitra kosa no nitarihan’i Jesoa azy.
1. MIOMANA HANDRAY NY LOVA ARA-PANAHY
Raha ny fizarana lova amin’ny rahalahiny no nahamaika ity lehilahy ity (and.13), dia ambaran’i Jesoa kosa fa tsy anjarany izany fa mpizara lova ara-panahy Izy. Nesorin’i Jesoa amin’io lovan’ny tany io ny resaka, satria zavatry ny tany ihany izany, mora simba, mora lany, an’izao tontolo izao. I Jesoa kosa manana ny tsara lavitra dia ny lova any an-danitra izay tsy mety ho lany, izay tsy azon’ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba (and.32-34). Asaina hisikina ho vonona tahaka ny miaramila hiady sy hirehitra ny jiro hiseho ho mazava eo anivon’ny maizina ny mpino miandrandra zava-panahy, ka tsy hanao tahaka izao tontolo izao mitoetra amin’ny maizina.
Ry havana, rehefa mbola maizina ny olona, dia tsy mieritreritra afa-tsy ny eto an-tany ihany tahaka ilay nihary fananana be (and.16-21) sy ireo manahy ny amin’ny izay hohaniny sy hosotroiny ary hotafiany (and.22-31). Rehefa mazava kosa izy dia mihevitra ny asan’Andriamanitra sy miseho ho amin’izany, ka tsy manakona ny lanitra hahazoany ny tany.
2. MIVONONA HIAMBINA
Fiambenana tahaka ny mpiambina amin’ny mpangalatra sy amin’ny amin’ny alina ny fiambenan’ny mpino ny fanjakan’Andriamanitra, ka ho vonona lalandava hiaro ny trano sy ny fananana tsy ho azon’ny mpangalatra. Tsy maintsy hoavy ny Tompo fa ny fiomanana no mila hatao tsara. Ambara fa fahasambarana ho an’ny mpino ny mitoetra, maharitra ary voatahiry amin’ny fiambenana, ka hitan’ny Tompo amin’izany. Ny fanirian’i Jesoa dia ny hahita anao eo am-perinasa rehefa hoavy Izy. Sady fifalian’ny Tompo izany no fahasambarana ho anao. Ambara mantsy fa amin’ny ora tsy ampoizina, tsy fantatra ny fahatongavany, ka mitaky fiomanana foana sy fiambenana mandrakariva.
Ry havana, tsy mifidy fotoana ny fiasana ny asan’Andriamanitra sy ny fiambenana tokony hataontsika. Mila vonona mandrakariva isika, mba handraisana ny lovan’ny lanitra omen’ny Tompo ho antsika.
Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny Voninahitra.
Atolotr’i RAFETRARINANJA Minoarisoa Tsivoafetra, Mpitandrina FJKM.
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: