Havako ô, ny finoanao an'i Jesosy ihany no ahazoanao mandova ny fiainana mandrakizay (Nomery 4.1-20)
Автор: Docteur Rivolala Andrianantoavina (CALDEN President)
Загружено: 2025-11-14
Просмотров: 382
Описание:
Pasteur Razafiarison Emilien - Mana isanandro vokarin'ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara
RAHA SENDRA LAVO IANAO DIA TSAROVY FA :
(1) Izay manafina ny fahotany tsy hambinina fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo. (Ohabolana 28.13)
(2) Raha ampanatrehinao Azy ny fonao ary atantinao aminy ny tananao ka misy heloka eo an-tananao dia ario lavitra izany ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao. (Joba 11.13-14)
(3) Fa hoy Izy : “Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona”. (Josoa 7.12)
(4) Kanefa hoy ny Tompo : “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsy fahamarinana rehetra”. (I Jaona 1.9)
(5) Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.(I Jaona 1.7)
(6) Fa ho an'Izay tia antsika ka namaha (nanasa) antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny rany, (Apokalypsy 1.5)
(7) Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, Ilay Marina (I Jaona 2.1)
(8) Koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy i Kristy. (Hebreo 7.25)
(9) Iza no manameloka ? I Kristy Jesoa no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. (Romana 8.34)
(10) Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina. Ary Izay mandinika ny fo no mahalala, izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina. (Romana 8.26-27)
(11) Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany ? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo. Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. (Mika 7.18-19)
(12) Fa hamindra fo amin'ny tsy fahamarinany Aho, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany (Hebreo 8.12)
(13) Fa havelako ny helony ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany. (Jeremia 31.34)
(14) Fa tahaka ny haavon'ny lanitra ambonin'ny tany no haben'ny famindrampony amin'izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefanano halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.(Salamo 103.11-12)
(15) Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin'ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.(Isaia 43.25)
(16) Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho (Isaia 44.22)
(17) Miverena ianareo, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. (Jeremia 3.22)
(18) Zanako mahafinaritra va i Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho ? Noho izany dia onena azy ny foko; hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah. (Jeremia 31.20)
(19) Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.(Matio 11.28)
(20) Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. (Apokalypsy 3.19)
(21) Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.(Lioka 5.32)
(22) Ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. (Jaona 6.37)
(23) Avia ary hifandahatra isika, hoy i Jehovah, na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
(24) Miverena ianao, ry Israely mpiodina, hoy Jehovah; tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay. Kanefa kosa ekeo ny helokao, fa tamin'i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao (Jeremia 3.12-13)
(25) Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko.Hoy izaho: "Hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho."Ary Ianao dia namela ny heloky ny fahotako. (Salamo 32.5)
(26) Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. "Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy...ka hoy izy “ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray”. Dia nifaly izy. (Lioka 15.18-24)
(27) Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka." (Lioka 15.10)
(28) F ahoy ny Tompo : “Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony”. (Jaona 8.11)
(29) Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo. (Jaona 5.14)
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: