Anjakao - Jim Praise ft Rojo (Groupe Ny Avo) ---
Автор: RL Event Rico - Landry
Загружено: 2014-12-31
Просмотров: 49975
Описание:
Anjakao - Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany ary ny Anarany Masina dia ho deraina sy hiraina mandrakizay. Hira Fiderana - Anjakao miaraka amin'i Jimmy sy Rojo (Groupe ny avo)!
ANJAKAO
Anio no anolorako, tena ho Anao Ray
handraisako ny ho aviko, ho fiainam-baovao
hamafa fahotana sy handraisam-pamelana
anio no anekeko mba, ho hateraka indray,
Eny Ray o, maro ireo, vitako hatrizay
mbola velona aho, satria tia ahy Ianao
raiso aho Ray o, fa mpanota tsy mba mendrika aho
k'aza avelanao isaraka Aminao
Ref :
Atolotro ho Anao izao, ny tenako
indro omeko Anao, ny foko anjakao
hihira ho Anao, mandrakizay
hanandram-peo sy hikalo, ho fiderana Anao
Navelanao handray aho, ny tenanao rehetra
t@fitiavana izay tsy takatry ny saina
nohenoinao ny zanakao fa mendrika fitia
Ray malala o! izaho tsy hivadika ho doria
Anio aho, hanao ireo,dina Aminao
fa tsy hanadino ilay hatsaranao
hanaiky hiala izay rehetra mety fahotana
fa fitiavana, finoana sy fanantenana
Ref :
Atolotro ho Anao izao, ny tenako
indro omeko Anao, ny foko anjakao
hihira ho Anao, mandrakizay
hanandram-peo sy hikalo, ho fiderana Anao
Jim Praise & Rojo
Повторяем попытку...
Доступные форматы для скачивания:
Скачать видео
-
Информация по загрузке: